Boriboritany faha-enina: ny fananana tanora vanona no antoky ny fandrosoan’ny firenena.

Boriboritany faha-enina: ny fananana tanora vanona no antoky ny fandrosoan’ny firenena.

Partager

Ny sabotsy 22 septambra no nanomboka ny fifaninana baolina kitra ho an’ireo tanora ao amin’ny boriboritany faha-enina. Lalao izay karakarain’ny Antsika Madagasikara, tarihin’i Jean-Omer Beriziky.

Ny tanjona dia ny famporisihina ny tanora hanana fialamboly madio.

‘’Zava-dehibe ny fanampiana ny tanora amin’ny fananana fialam-boly madio mba hialany amin’ny fakam-panahin’ny asa ratsy sy ny zava-mahadomelina’’ hoy JOB. ‘

Be tokoa mantsy ny tanora no zary mirona amin’ny fialamboly tsy mendrika, indrindra amin’ny fotoam-pialantsasatra toy izao. Izy ireo anefa no ho tompon’ny ampitso ka miankina betsaka amin’ny fitondran-tenan’izy ireo ny ho avin’ny firenena.

“Ny fananana tanora vanona no antoky ny fahazoana firenena mandroso” hoy hatrany i Jean-Omer Beriziky.

Heverina ny hanitatra ny hetsika ho an’ny tanora amin’ny toerana maro.

 

Partager

Leave a comment