Manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo ny Antsika Madagasikara mba hifarimbona amin’ny fametrahana afisy

Manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo ny Antsika Madagasikara mba hifarimbona amin’ny fametrahana afisy

Partager

Nandritra ny valandresaka hoan’ny mpanao gazety no nanambaran’i Elia Ravelomanantsoa, talen’ny fampielezan-kevitr’i Jean Omer Beriziky fa tsy tokony hisy ny tombo sy ala amin’ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Miendrika herisetra ankolaka tokoa mantsy ny fanesorana ireo sary famantarana lehibe nisy ny sarin’I Jean Omer Beriziky. Nanao antso avo amin’ireo mpifaninana rehetra izy ny amin’ny tokony hanajana ny soatoavina Malagasy.

Ankoatra izay dia namafisiny fa liam-pihavanana ny vovonana Antsika Madagasikara tarihin’i JOB.

“Ny faniriana dia ny mba ho fifaninana masina, hendry sy hahafahan’ny vahoaka misafidy ankitsimpo no ho tanterahana amin’ity taona ity” hoy ny talen’ny fampielezan-kevitra.

Nanao antso avo hoan’ny vahoaka eto Antananarivo ihany koa izy ny mba hifanomeza-tanana amin’ny fametrahana ireny afisy ireny.

“Rehefa tsy omen’ny olona ihany ny panneau-ny dia mino izahay fa mba misy tia sy vonona hanaraka anay ka hifanome tanana, ametraka ireny afisy ireny eny amin’ny lavarangana, eny amin’ny varavarankelin’ny tsirairay” hoy izy.

 

Partager

Leave a comment