Toko 7: Famahana ny olana momba ny jiro, rano sy ireo fotodrafitrasa maro isankarazany
Manome toky aho fa :
- hanamora ny fahazoana jiro sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra amin’ny alalàn’ny fametrahana tetikasa famokarana angovo azo havaozina mifandraika amin’ny zava-misy isam-paritra ary hametrahana fandaharanasa famatsian-drano sy toby fanangonana ranon’orana mba ahafahana mamongotra haingana ny fahatapahan-jiro lavareny (délestage) sy ny tsy fahampian’ny rano fisotro.
- hampivoatra ny fotodrafitrasa momba ny fifandraisana (lalana sy teknolojia vaovao)
- hanome vahana ny fitaterana andranomasina amin’ny maha-Nosy an’i Madagasikara
- hamelona indray ny seranantsambo manodidina sy ny seranampiara-manidina eny anivon’ny distrika.
